Fanambarana ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo

 

Fanambarana amin’ny Firotsahan-kofidiana ho

Ben’ny Tanànan’Antananarivo : Manompo ny Renivohitra, Manome Voninahitra ny Firenena

Ry Mpiray Tanindrazana malala eto Antananarivo,

Misedra fotoan-tsarotra tsy mbola nisy tahaka izao i Madagasikara, ary ilaina maika ny famerenana ny Renivohitra, Antananarivo, ho amin’ny toerana sahaza azy indray, amin’ny maha fo manetsika ny firenentsika azy. Anio, dia manambara amin’ny fomba ofisialy ny firotsahako hofidiana ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo aho. Noho ny traikefa ananako amin’ny maha Praiminisitra teo aloha sy ny fahaiza-manao amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka manatrika anareo aho, tsy amin’ny maha teknisianina ny Fitantanan-draharam-panjakana ihany, fa amin’ny maha mpisehatra politika vonona hikatsaka ny soa iombonana ihany koa.

Ianareo ihany no efa nilaza fa aty amiko ny lakilé, izaho indray miteny fa any aminareo ilay izy fa dia miankina amin’ny olona ho toloranareo azy.

Antananarivo : Mihoatra noho ny Tanàna, Renivohitra tsy Manam-paharoa sy Manana Sata Manokana

Antananarivo dia tsy hoe kaominina tsotra fotsiny, fa tanàna manana tantara, renivohitra maneho ny firaisam-pirenena ary toeram-pisian’ny fanapahan-kevitra lehibe eto amin’ny firenentsika. Ny fanoloran-tenako dia ny mba hamerenana an’Antananarivo amin’ny fahamendrehany tanteraka, na eo amin’ny sehatra nasionaly na iraisam-pirenena. Amin’ny maha teknisianina ahy, dia hanolo-tena aho hamerenana ny famirapiratan’ity tanàna lehibe ity amin’ny alalan’ny fomba fiasa hentitra, voarindra, ary fitantanana maoderina. Ny toe-tsaina hitondrako azy dia tahaka ny andraikitry ny Délégué Spécial na (PDS), kanefa kosa tendren’ny vahoaka eto Antananarivo, toy ny nanekeny ahy ho Pramiministra tamin’ny taona 2009, izay voasompatra, ka hamerenana ity renivohi-tsika ity amin’ny toerana maha Kaominina manana sata manokana azy, miaraka amin’ny fampidirana ny teknolojia sy ny fahombiazana amin’ny fitantanana.

Vina Feno, Iombonana sy tsy manilika ho an’ny Renivohitra

Ireto avy no fototra iorenan’ny tetikasako ho an’Antananarivo :

1. Fanamboarana indray ireo toerana ho an’ny daholobe sy fiarovana ny marefo indrindra : Ny renivohitra dia tokony ho modely amin’ny fandriapahalemana, fahadiovana ary fanamboarana toerana ho an’ny rehetra, indrindra ny ankizy sy ireo marefo indrindra. Hanangana tetikasa miahy ny ara-tsosialy sy ny fanampiana ho an’ny daholobe isika.

2. Fampandrosoana ara-toekarena sy fanarenana ny andraikitra ara-toekaren-tsosialy : Tokony hahazaka ny maha ivotoerana azy eto amin’ny firenena i Antananarivo. Mitarika sy mifanahantsahana amin’ny tetikasa ho fampandrosoana ny toekarena isam-paritra sy ny tontolo iainana.

3. Fitantanana maoderina ny fako sy ny fitaterana : Ny olana mikasika ny fahadiovana, ny fitantanana ny tsena ary ny fitaterana eto an-drenivohitra no isan’ny laharam-pahamehana. Hatramin’ny taona 2009, efa nanolotra tetikasa vaovao aho tamin’ireo sehatra ireo, indrindra fa ireo lakan-drano, ary vonona hanavao azy ireo mba ho tanàna madio sy voarindra kokoa Antananarivo.

4. Na dia tsy anjaran’ny tanànan’Antananarivo aza ny Jiro sy ny Rano, noho ny fijalian’ny mponina, dia hanolotra vahaolana azo tanterahina avy hatrany izahay mahakasika an’izany.

4. Fitantanana azo tahafina : Antananarivo dia tokony ho modely ho an’ny kaominina hafa manerana an’i Madagasikara. Hanolotra rafitra fitantanana maoderina izahay, miorina amin’ny mangarahara, ny teknika, ny fahombiazana, ary ny tombontsoa iombonana ho an’ny olom-pirenena rehetra, indrindra koa fa ny tanora.

Lova Kolotsaina sy Fitiavana Madio

Hatramin’ny fahatanorako, Antananarivo no isan’ny tanànako. Teto no niainako, nianarako, ary namolavolako ny fanoloran-tenako ho an’ny soa iombonana. Ny raiko dia voafidy in-droa miantoana ho solombavambahoakan’ny Antananarivo Renivohitra, ary betsaka ny asa vitany teto, na dia vanimpotoana sy toejavatra samihafa no niseharanay ara-politika. Mahafantatra ny elankelan-trano rehetra amin’ity tanàna ity aho ary niady ho an’ny fampandrosoana azy hatrany, tamin’ny alalan’ny fanohanana ny fananganana ny Lapan’ny Tanàna tamin’ny 2009, izay nitondrako tolo-tànana mafonja, na koa tamin’ny fampivoarana ny faritra Andranovory Ambolokandrina.

Nahazo ny fanohanan’ireo olobe sy tso-drano avy amin’ireo Zokiolona, dia vonona aho hijoro, hanompo ny mponina rehetra eto Antananarivo. Tsy mianina amin’ny fitantanana ara-panjakana fotsiny ny fanoloran-tenako, fa mitohy amin’ny fanompoana ny Tanànan’ny Arivo, manome voninahitra ny tantarany sy ny anjara toerany lehibe eo amin’ny fananganana ny hoavintsika iombonana.

Ho famaranana, ry mpiray tanindrazana malala, miatrika anareo aho ampanetrentenan’olona mahafantatra ny fototra, sy mandray an-tànana ny Tanàn’Antananarivo am-pitiavana.

Ary atolotro manokana ho fanomezam-boninahitra ireo manampahaizana tia tanindrazana nanabe ahy manokana manaraka ireto ny firotsahako hofidiana :

– Rakotoarimanana Laurent

– Randriatsizafy Marcel

– Rabearimanana Gabriel

– Randrianomanana Pépé

– Rakotozafy Bruno

– Ranaivosoa René dit Kaina

– Ratsimandresy Jacques

– Marjean

– Razafindrahaba Marthe Schaffner

– Ramamonjisoa Jeannine

– Rambeloson Rémi

– sns.

Sy ireo Raiamandreny isaky ny boriborin-tany nifanerasera tamiko teo anivon’ny sehatry ny fitolomana dia Rakotondrasoava Georges, Ramanitra Charles, Julie Ambatomainty, Andriamasinoro Armand, Dada Jean, Dada Tsimba, Katanga, Razafindramiandra Honré, Randriamampita Honoré, Randrianasolo Jean, sns.

Ny Raiamandreny aram-panjakana : Ralitera Etienne, sns.

Andao hirehareha ho an’ny Renivohitra isika, ary andao averina aminy ny hanitra maha-renivohitra azy sy ny andraikiny lehibe eto amin’ny fiainam-pirenena eto Madagasikara.

Ho ela velona Antananarivo, ho ela velona ny Renivohitra, ho ela velona Madagasikara !

Misaotra anareo sahady noho ny fitokisanareo.

Monja Roindefo Zafitsimivalo

Praiminisitra teo aloha

Grand Croix de Première Classe

Publications similaires

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *