Andavamamba Anatihazo I sy II
Ny vahoaka teny Andavamamba Anatihazo I sy II no nihaona tamin ny kandida Monja Roindefo, laharana faha 5 amin ny bileta tokana ho amin ny fifidianana izay ho Ben ny tanana Antananarivo renivohitra ny alarobia 20 novembra 2024.Toerana manana tantara ho an ny kandida Roindefo Monja iny faritra iny satria dia anisan ireo toerana nanaovan ny Monja Jaona rainy fotodrafitrasa maro, toa ireny lakandrano maro ireny, ny tetikasa APIPA sns, izay izy no niady by fananganana azy sy ny fametrahana azy. Antony ny hanatsarana ny tontolo ivelomana sy iaiainan ireo mponina amin ny faritra iny.Maro rahateo ny mpikatroka MONIMA, niarara nitolona tamin ny Ray amandreny Monja Jaona fony izy solombavambahoaka teto Antananarivo, no nangataka ny hisantarany ny fampielezan kevitra eny an toerana.Niaro ary niady mafy izy hahatanteraka ireo tetikasa fanatsarana ny faritra iva ireo raha nanohitra izany avokoa ireo olomboafidy teto amin ny tananan Antananarivo tamin izany fotoana.Niavaka ny fihaonana tamin ny vahoakan Anatihazo I sy II ny alarobia lasa teo iny satria dia nomena fitenana, nifanakalo hevitra mivantana tamin ny kandida ny vahoakan izany faritra izany. Ireo maharary ny mponina eny an toerana sy ny vahaolana avy hatrany avy any amin ireo vahoaka ireo no nivoitra tamin ity fihaonana ity izay taratry ny zava misy iainan ny mponina eto Antananarivo Renivohitra. Nilaza ireo nandray anjara fitenenana fa olana ny fanaovan ny antoko sasany fitaovana ny vahoaka sahirana. Ataon izy ireo fakana vato amin ny fanambazana vola, koveta sy tee-shirt ny vahoaka fa tsy misy ny fijerena ny fahasahiranam bahoaka rehefa avy eo.Vahaolana natolotr izy ireo ny fametrahana fitokisana amin Andriamatoa Monja Roindefo satria hoy izy ireo dia efa hatrizay izy no niara dia, tsy niova hevitra fa manao izay azony hatao hampitovy ny fampandrosoana ny faritra iva sy ny faritra hafa rehetra eto amin ny tanan Antananarivo Renivohitra. Kandida avy amin ny vahoaka ianao hoy izy ireo ary hatokisanay tsara mihitsy fa tsy hiala aminay. Isaorana ny fandraisanao andraikitra ho an ny tananantsika, afaka milamintsaina izahay rehefa lany ianao fa hiova ity faritra misy anay ity. Tsy hitaky zavatra aminao izahay fa hiasa maimaimpoana hampandresy anao ety amin ny faritra misy anay. Hitaona ny mpifidy rehetra handrotsaka by vato laharana faha5 ho fampandresena ny feonay vahoaka avy ety amin ny faritra misy anay.Na dia tsy nisy mpanakanto dia vao naheno ny antso natao fa handalo eny ny kandida laharana faha 5 dia vory maro ny mponina teny Anatihazo I sy II nifanontrona tamin ny kandida Monja Roindefo.